ActualitésTatitra

Inona ny aretina « Myopathie de Duchenne » ?

Aretina manaranaka ny « myopathie de Duchenne », mitarika ny « dégénérescence » ny hozatra izy ary hita matetika any amin’ny lehilahy. Ny olona marain’ny « dystrophie musculaire » na ireo tsy afaka mibaiko ny hozany amin’ny ezaka ara-batana no anisan’ireo tena mitondra azy. Tsy mahafaty ity aretina ity raha tsy mahazo ny hozatry ny fo na ny « cardiomyopathie ».Anisan’ny soritr’aretina voalohany ahafantarana ny Myopathie de Duchenne ny fianjerana matetika, ny fahasahiranana mitsangana sy miazakazaka. Eo ihany koa ny fahasarotana amin’ny fandraisana fampianarana sy ny fahaelan’ny fitomboana fa indrindra ny fihenan’ny hozatra izay mampiena ny tanana na ny tongotra. Tsy misy fanafody kosa ity aretina ity saingy azo fehezina amin’ny alalan’ny « kinésithérapie » na fitsaboana ara-batana sy fihinana fanafody « corticostéroïdes » ny fisehon’ny soritr’aretina.

Laisser un commentaire