SportTsidika

Coupe de la Confédération : Hifanandrina ny Centre de Formation de Football d’Andoharanofotsy sy ny Kabwe Warriors FC avy any Zambie

Hotontosaina ny Alahahady faha 12 ny volana septambra ho avy izao ny lalao savaranonando izay hifanitsanan’ny Centre de formation de football d’Andoharanofotsy (CFFA) sy ny Kabwe Warriors Fc izay avy atsy amin’ny renivohitr’i Zambie .Izany dia ho tanterahana etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina izay vao notokanana ny sabotsy lasa teo.Nisy tamin’izany ny lalao aram-pirahalahiana izay nifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea ny Madagasikara sy ny Centre de formation de football d’Andoharanofotsy « CFFA » ka nandresy tamin’ny salan’isa 1 noho tsy misy ny Barean’i Madagasikara.Marihina fa efa nandrombaka ny amboara « Telma Coupe » tompon-dakan’i Madagasikara io Centre de formation de football d’Andoharanofotsy « CFFA » io tamin’ity taona 2021 ity.Nanambara ny mpanazatran’io kilioba io, Titi Rasoanaivo fa « efa manomboka amin’ny fanazarà-tena ireto mpilalao, amin’ny fiezahana mizatra ilay kianja vaovao mba tsy hanano sarotra raha hifanina amin’ireto kalaza avy atsy Zambie, nisy ihany koa moa ny fanidirana ireo mpikambana 4 vaovao hoy izy, dia ireo mpilalao avy atsy amin’ny Tana Formation sy Ajesaia ary Jet Mada ».Ny ben’ny tanàn’Andoharanofotsy Henintsoa Rakotoharimanana izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe « Tota » no mpiahy azy ireto, ary nilaza izy fa « Manantena ny handeha lavitra mandritra ny Coupe de la Confédération CAF arak’izany ity ekipan’ny Kaominina Andoharanofotsy ity »Ao arian’io dia hisy ny lalao miverina izay hifanandrinan’ny roa tonta ihany eo anelanelan’ny 17 ka hatramin’ny 19 ny volana septambra ho avy izao, ka izay mibata ny fandresena amin’io no hifanintsana amin’ny Mafunzo FC atsy Zanzibar na ny kilioba internasionaly « Luanda de l’Angola ».Ireo mpakafy baolina kitra moa dia nitondra ny teny fanohanana hoan’ny Centre de formation de football d’Andoharanofotsy « CFFA » nanao hoe « irariana ny handresen’ny klioba avy eto Madagasikara mba hitondra hatrany ny voninahim-pirenena, hiakatra avo manerana an’izao tontolo izao, fa indrindra manerana an’i Afrika »Eto am-piandrasana sy fintaintainana izay mety ho valin’ny lalao arak’izany isika, ka ny hirariana dia ahazoan’i Madagasikara fandresena.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire