ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mpianatra 216 nahazo fitaovam-pianarana

Saika nisitraka fanampiana fitaovam-pianarana avy amin’ny fitondram-panjakana avokoa ny EPP maro ho fanampiana ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Notanterahina ny 3 septambra teo izao ny fizarana fitaovam-pianarana ireo mpianatra miisa 216 tany amin’ny EPP Ilafy izay notronin’ny Ben’ny tanàna any Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija sy ny mpiara-miasa aminy, ireo sefo ZAP sy ireo talen’ny EPP ary ireo ray aman-dreny.

« Natao izao ho fitsinjovana sy ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny mpianatra an-tsekoly » hoy ny avy ao anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Mirary soa ireo mpianatra ho tafita sy hahavita ny taom-pianarana vaovao ka tsy hisy ny hitsoaka an-daharana, ary mirary soa ireo mpampianatra amin’ny fanabezana ireto ankizy » hoy ny Ben’ny tanàna, Rajaonah Rija, nandritra ny fandraisam-pitenenana. «Raha jerena izao ny tamin’ny fitondran’i Ravalomanana dia mafy sy naharitra tokoa ny fitaovana feno ho an’ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka na miankina na tsy miankina, hirariana mba haharitra sy ho mafy tahaka ireny ihany koa ny fitaovana zaraina tahaka izao » hoy i Toky, tanora naneho ny heviny.

Marihina fa misy aron’akanjo sy kapa, kitapo sy fitaovam-pianarana maro hafa no nozaraina amin’izao hetsika ataon’ny Ministera izao. Hantenaina mba hitondra fahaizana sy fahombiazana ireo zaza mianatra eny anivon’ny ambaratonga fototra ny toy izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire