Tsy faly amin’ny filoha Malagasy ny filoha Frantsay
Tsy faly amintsika ny Frantsay na dia nisy aza ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny roa tonta nandritra ny dia nataon’ny filoha Andry Rajoelina tany France. Tezitra ny frantsay raha naheno fa « misy firenena matanjaka dia i Frantsa tao ambadiky ny Appolo 21 » saingy amin’ny maha filoha an’i Emamnuel Macron dia tsy maintsy manaraka ny fenitra repoblikanina izy.
« Naninona raha nantsoina ny ambasadaoro frantsay monina any Madagasikara raha tena nisy izany fa tsy nankalazaina ampahibemaso avy hatrany » hoy ny Filoham-pirenena frantsay tao amin’ny gazety iray. Fanampin’izay, tsy naharesy lahatra ny filoha Macron ny nandaniana ireo vola fanampiana azon’i Madagasikara tamin’ny covid-19 raha nanontany ny filoha Malagasy izy. Ny vahoaka aty an-toerana ihany koa maty noana sy mijaly kanefa izy ireo nifalifaly sy nanafatra mpanakanto mihitsy tany Lafrantsa tamin’ny fety natao tao amin’ny ambasady malagasy any Frantsa. « Fisehosehoana eo anatrehan’ny filoha Frantsay sy ireo mpandraharaha frantsay no betsaka tamin’ny nanaovana fety tao amin’ny ambasay Malagasy ao Frantsa izay nitondrany artista avy any Madagasikara mihitsy » hoy ny gazety vahiny iray mpivoaka isan’andro. Nandany vola tokoa ny fitondrana malagasy nanomanana ny lanonana satria dia sakafo sy zava-pisotro lafo vidy betsaka no naroso tao.
Etsy an-kilany anefa, roa andro nisesy izay no naneho hevitra ny Diaspora fa tsy mankasitraka ny fitantanan’ny filoha noho izy mandendika ny firenena anaty lavakin’ny fahantrana. « tsy mahalala ny mahasoa ny vahoaka fa variana amin’ny seho ivelany fotsiny, ny fandaniana ny volam- panjakana amin’ny tsy tokony ho izy, ny kolikoly, ny fanodinkodinana ny fanampiana ny malagasy tamin’ny covid, ny nanamboarana ny colisee teo Anatirova » hoy ireo Diaspora. Maloto eo imason’izao tontolo izao ve izany ny filoha Malagasy ? Vahaolana tokoa ve ny fanalana ny filoha tahaka ny fangatahana ataon’ireo vondrona mpanohitra ?
Nicole Rafalimananjara
