SportTsidika

Baolina kitra : Miady an-trano i Madagasikara

Nanao fanambarana ny filoha lefitry ny Federasionina Malagasy ny Baolina kitra (FMF) Alfred Andriamampisoa fa tsy mahalala ny fisian’ny taratasy nalefa tany amin’ny CAF izay niteraka resa-be iny.

Mifamahofaho tanteraka ny raharaha mahakasika ity fahafahana manatrika ny fifanintsanana eo amin’ny Barea sy Benin ity. Vantany vao nampitandrina ireo FMF ny Filoha, nipoitra daholo ny fanazabana maro samihafa. Nilaza ho tsy mahalala na inona na inona momba ny taratasy fangatahana alalana hanisy mpijery miisa dimanjato sy arivo nataon’ny Filohan’ny Federasiona sy ny Sekretera Jeneralin’ny FMF ny Filoha Lefitry ny FMF Alfred Andriamanampisoa. Teo ihany koa ny tokony nahatongavan’ireo teknisianina CAF tokony hanao homologation ny Kianja Barea Mahamasina saingy nafenin’ny Sekretera Jeneraly ny FMF tamin’ireo mpitantana FMF hafa izany ary nosakanany tsy hakaty ireo solotenan’ny CAF ireo iray volana lasa izay, ka ankehitriny tsy maintsy ny Ministeran’ny Fanatanjahan-tena no nanao taratasy nampiantso azy ireo ho avy eto Madagasikara hijery ifotony ny Kianja Barea, izay vao nampahafantarin’izy ireo fa efa iray volana lasa izy ireo no saioa ho avy saingy nosakanan’ny Sekretera Jeneraly.

« Natahotra ny menace nataon’ny Filoha angamba ny tao amin’ny Federasionina tonga dia nisahotaka avy hatrany ka izao mitady fika ialana irika amin’ny fahatrarana ny zavatra nataon’izy ireo izao »hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao iray.

Raha nanazava ny fijeriny io ady misy io kosa ny avy ao amin’ny fikambanana mampivondrona ireo mpilalao baolina kitra dia nilaza fa : « Raha zohina tsara ny fandehan’ny tantara, samy tsy mahalala ny tokony ataony ny roa tonta : ny filoha tsy te hahalala afa-tsy ny hahita tombontsoany manokana izay afahan’ny vahoaka mameno ny seza ao anaty kianja. Ireo ao amin’ny Federasionina indray kosa, efa matihanina eo amin’ny sehatra io, ahoana no tokony tsy ahafantaran’izy ireo fa ny lalao rehetra izay natao nadritra ny fisian’ny aretina Covid-19 dia tsy azo atrehin’ny mpijery! Tsy diso ny CAF fa manaraka ny fepetra sy lamina efa nipetraka hatramin’izay ».

« Tsy milamina mihitsy ny firenentsika, tsy misy mikatsaka ny hoavin’ny Madagasikara izany eto fa lainga fotsiny izany. Isakin’ny misy zavatra mipoitra tahak’izao izany vao hampanena lakolosy daholo ny iray trano ve ? Hatramin’izay izany nohenohenoina sy notakotakomana fotsiny ihany izany lesoka rehetra izany. Ka raha izao izany no sazian’ny CAF isika amin’izao tsy fanarahan-dalana maro ataontsika izao, dia iza no diso ? Vao maika ho mafimafy bebe kokoa noho izao izany ny ady an-trano ho hita eto » hoy ny tomponandraikitry ny kianja iray eny 67 ha.

Manoloana izao tranga izao kosa, ny solombavabahoaka Paul-Bert Raharimanana manokana nanao fanambarana ny mba hanasiana fitoniana tanteraka aloha fa aleo hifantoka amin’ny fanazaran-tena ny ekipam-pirenena.

Ireo mpankafy baolina kitra kosa etsy an-danin’izany ady mifamafaho izany, manantena hatrany ny hisian’ny fahafahana manatrika io lalao io.

Feno ady an-trano eto Madagasikara, izao indray ny FMF sy ny filoha mihitsy no mifampiantsy ady, vao vita ny kianja dia ady no hitsenana azy. Tokony jerena sy hitadiavam-bahaolana maharitra izao tsy fihetezan-draharaha ao amin’ny FMF izao fa tsy ny maha mahaleo tena azy no afahany manao zavatra tsy mety tahak’izao. Hanao ahoana kosa no fanapaha-kevitry ny CAF amin’ity raharaha ity ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire