Fanohanana ireo tanora amin’ny fizaran’asa (stage)
Nanomboka ny alatsinainy 30 Aogositra 2021 ny fampiofanana an’ireo andriany tanora mpianatra voalohany. Miisa 125 ireo tanora ireo ary avy amin’ny sekoly ambony miara-miasa amin’ny fandaharanasa Tendro fampizaranasa na « Pôle Stage Madagascar ».
Ho fanampiana ny tanora mpianatra amin’ny fahazahoana fizaranasa eny amin’ny orinasa isan-tsokajiny no antony izao hetsika izao. Ary iarahan’ny Fanjakana : ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, ny Ministeran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny lalàna sosialy sy ireo sehatra tsy miankina : Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ary ireo sekoly ambaratonga ambony : ESPA, IST, ISCAM, INFP. Haharitra efatra andro etsy Anosy ity fampiofanana ity izay vokatry ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Fanjakana sy ny SIM ary ireo sekoly ambony ireo tamin’ny Alakamisy 05 Aogositra 2021.
Ny orinasa DHL sy ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung ary ny ACPE Madagascar no handray an-tanana ny lafiny teknika amin’ny fampiofanana ireto tanora ireto. Hiompana amin’ny lohahevitra manodidina ny fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’ny tanora Malagasy ny fampiofanana amin’ity andiany voalohany ity. Aorian’ny fampiofanana dia hanatanteraka fizaranasa avy hatrany eny anivon’ny orinasa mpikambana ao anatin’ny SIM ireto tanora ireto. Mangataka ihany koa ireo tanora any amin’ny faritra mba hisian’ny fampiofanana toy izao any amin’izy ireo. « Ilaina ny fampiofanana toy izoa satria manampy amin’ny fitadiavana asa izany. Tokony hasiana fampiofanana ihany koa aty amin’ny faritra. » hoy i Tojo, mpianatra any amin’ny faritra Atsinanana.
Antenaina izany fa hiakatra ny tahan’ireo tanora an’asa amin’ny fisian’izao fampiofanana izao.
Sitraka Rajaonarivony
