Antoko TIM : Hanokatra sekoly fanabeazana tanora tomponandraikitra ho an’ny firenena
Nandritra ny fiofanan’ny tanora TIM mikasika ny hay politika sy fitantanana sy hay tarika tao Bel’Air Ampandrana no nilazan’ny antoko TIM fa ho avy ny TIM Academy.
« Tanora tomponandraikitra » izay no filamatra ho entin’izy ireo amin’izany fampiofanana izany. Tsy hianona amin’ny fampielezan-kevitra intsony fotsiny ireo tanora mandrafitra ny antoko fa miomana amin’ny fitantanana avy hatrany, hoy izy ireo.
Manohana tanteraka ity tetikasa manokana ny TIM ity i Gerard, izay mpampiofaha hay politika ka nilaza fa : « Mety ny tetikasa satria anisan’ny mitondra fahaizana sy fifehezana ny hay politika sy hay tarika ny tanora izao, afaka hamokatra tanora matihanina amin’ny sehatra politika Madagasikara amin’ny fotoana ilana izy ireo satria vao tanora dia efa notezaina sy nilona tamin’io sehatra io ». Misy ihany koa ireo izay milaza fa misy hevitra ambadika izao tetikasa izao, toa an’i Hery, mpikambana ao amin’ny vondrona politika iray : « Hanomboka indray ireto mpanohitra ireto. Rehefa tsy nandaitra ny fampiasana zaza tsy ampy taona nataon’ny Diaspora dia izao indray ny TIM no mampiofana ireo tanora hahay politika hotarihina hidina an-dalambe sy hanaraka ny ataon’izy ireo. Hoentina aiza ny tanora Malagasy no atao fitaovana politika tahak’izao ? »
« Hevitra mety tokoa izao fampianarana ny tanora amin’ny fidirana amin’ny atrikasa izao. Tsy voatery asiana resaka politika ny fampiofanana tahak’izao fa kosa ny hoavin’ny tanora no ifantohana. Avelao ny politika ho an’ny mpanao politika efa am-perinasa aloha fa ny tanora kosa hanovo fahalalana sy ahafantatra tsara io tontolo io », hoy kosa i Avotra, mpianatra politika ao amin’ny taona voalohany.
Tsy mitsaha-mitady hevitra hirosoana amin’ny sehatra politika hatrany ny antoko TIM. Rehefa avy nankalaza ny faharoa taonany ny RMDM izay tarihin’ny TIM, nandalo teo ihany koa ireo vehivavy izay nanao hetsika fialam-boly hoy izy ireo.Izao indray ny tanora no miseho sy miparitaka erakin’ny haino aman-jery sy tambazotra samihafa. Niova paikady ve ny TIM sa efa manomana ireo izay handimby azy ireo sahady ny mpikambana ?
Tsangy Randriamampianina
