ActualitésTatitra

Sambo lehibe indrindra mneran-tany ny Seawise Giant

Sambo lehibe tobin-tsolika (pétrolier) ny Seawise Giant antsoina hoe Oppama, Happy Giant, Jahre Viking, Knock Nevis ary Mont ihany koa. Teo anelanelan’ny taona 1979 sy ny 1981 no nanamboara azy. Noho ny fahasimbany nandritra ny ady Iran-Irak kosa dia ny taona 1991 indray izy vao niverina niasa.

Mirefy 458 m ny halavan’ny sambo ary 69 m ny sakany, 649 955 taonina kosa izy ary mahazaka vesatra 564 650 taonina, mahatonga azy ho sambo “pétrolier” lehibe indrindra maneran-tany. Mahazaka petrola “brut” 650 000 m3 ihany koa izy.

Laisser un commentaire