SocialTsidika

Sarimihetsika malagasy : Hetraketrahan’ny piraty ireo mpamokatra

Mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika Malagasy maro mitafy akanjo mainty no nameno ny efitrano tetsy Andohan’i Mandroseza nandritran’ny famorian’izy ireo ny mpanao gazety manoloana ny firoborobon’ireo mpanao piraty.

Nitaraina amin’ny fahabetsahan’ny piraty izay tena antoka fototra manimba ny asa fiharian’izy ireo ireto mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika Malagasy ireto.

Misy mpanao piraty gaigilahy, efa imbetsaka no tratra, nefa votsotra hatrany eny amin’ny Fitsarana hoy i Rajao Tsarafara. Hiakatra Fitsarana indray olona io amin’ny faran’ny volana septambra ho avy ka dia manaitra ny fanjakana sy ny Fitsarana izy ireo ny amin’izany.

Manao ny asany amin’ny ady amin’ny hosoka na piraty ihany ny BAP (Brigade Anti-Piratage) kanefa noho ny tsy fahampian’ny tetibola enti-miasa, tsy mizotra raha ny tokony ho izy ny fanaraha-maso sy ny fanenjehana azy ireny. Miantso ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina io rafitra io izy ireo arak’izany.

« Mila manraha ny fanaon’ny firenena mandroso ny mpamokatra raha te hiady amin’ny piraty. Misy ny rindram-baiko afahana mampiditra rafitra anatin’ny « CD » ka tsy ahafahana manao dika mitovy mihitsy » hoy Jeremie, mpikirakira informatika.

« Ny mpanjifa mihitsy no mividy piraty. Mafy ny fiainana kanefa mba te hijery toa an’olon-drehetra ihany dia miaina amin’ilay hoe sitrany ahay, raha roa arivo ariary ny horonantsary « original » iray, izany sarany izany efa mahazo horonantsary miisa dimy anaty cd iray any amin’ny piraty »hoy kosa Rondro, mpanjifa horonantsary eny amin’ny piraty.

Torohevitra kosa no naroson’ireo mpilalao horonantsarimihetsika an-dapihazo : »Tsotra ny vahaolana, averina ny fandefasana azy ireny amin’ny trano fijerena sarimihetsika, ahena ny famokarana cd ,amin’izay miala ho azy ny piraty »

« Na tsy misy aza ny piraty, ny olona mihitsy no efa tsy manjifa original intsony satria efa marobe ny horonantsary miparitaka amin’ny tambazotra. Tsy piraty irery no olana arak’izany fa ny vahoaka mihitsy no tsy misy vola hanjifana » hoy kosa Rado, tompona cyber iray.

Raha ny eto Madagasikara manokana, azo lazaina ho tena maivana ny teti-bola natokana ho an’ny fiadiana ny hosoka izany. Marefo, tsy laharaham-pahamehana ho an’ny fanjakana izany sehatra izany na dia anisan’ny manome tsiky sy fialam-boly ny Malagasy manoloana ny adim-piainana isan-andro aza io famokarana sarimihetsika io. Tokony ho jeren’ny Ministra akaiky ny momba izany, ankoatran’ny literatiora, dihy, kabary, vaky boky, tafiditra tsara ao anatin’ny kanto Malagasy ireny sarimihetsika ireny. Raha tsy atosika sy tohanana ny mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika Malagasy, ahiana ny mety tsy hahatonga lavitra antsika amin’io sehatra io.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire