SocialTatitra

Afrique du Sud : Niakatra ny tahan’ireo zaza tsy ampy taona nitondra vohoka hatramin’ny nisian’ny valan’aretina

60% ny tahan’ireo zazavavy tsy ampy taona ao amin’ny faritr’i Johannesburg, tànana be mponina indrindra ao an-toerana no mitondra vohoka raha ny fanadiadiana nataon’ny ONG Save the Children. Namoaka ihany koa ny minisitry ny fahasalamana ao Gauteng fa zazavavy tsy ampy taona maherin’ny 23 000 no lasa renim-pianakaviana teo anelanelan’ny volana aprily 2021 sy martsa 2021. Latsaky ny 14 taona ny 934 amin’ireo raha ny fanazavana. Efa nampitandrina an’i Afrique du Sudmanoloana io toe-javatra misy ao ny ONG hoy i Marumo Sekgobela tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy ara-tsakafo ao amin’ny Save the Children.

Laisser un commentaire