PolitiqueTsidika

Misy kolikoly ve ao amin’ny fitantanana ny volam-panjakana ao ?

Miato avokoa ny fikirakiarana ny vola ankoatran’ny karama taorian’ny nampitsaharana ny tale jeneraly ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Mitsikafona anefa ankehitriny ny kolikoly avolenta izay mahavoatonona ny vadin’ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ary ny namany roa hafa.

Nilaza anefa ny Ministra Rabarinirinarison Rindra Hadimbelo fa «feno kolikoly sy mpangalatra amin’ity fitantanam-bola ity». Mody fanina sa tena fanina ? «Sady mandray eny amin’ny CNaPS no mbola misitraka tombotsoa maro ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana ity vadin’ny Ministra ity no mbola mandray vola isam-bolana eto Madagasikara ny namany roa kanefa efa monina sy miasa any ivelany» hoy ny mpanao gazety iray. Ahoana hoy ny Sendika manoloana izany famoaham-bola tsy ara-dalàna izany ? «Toy ny volam-piankaviana ilay izy fa tsy volam-panjakana, mbola misy sahy minia mikipy ihany any ho any» hoy i Alfred, mpanao politika.

Ho entina aiza ny firenena ? Nahoana avela hanjaka ny mpandany ny volam-bahoaka ? Aiza ny Ministera ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire