ActualitésTsidika

Oniversite Antsiranana : Nizaha ifotony ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa

Niteraka resa-be manerana ny tambajotra serasera sy teny anivon’ny fiaraha-monina ny herinandro lasa teo ny fisian’ny fanodokodinana « vacation » tao Antsiranana ary tompon’andraikitra maro no ahiahiana.

Efa naneho ny heviny mikasika ity fanodikodinam-bola ity ny tao amin’ny Mesupres ary nilaza mazava fa « tsy mangarahara ny fitantanana ny vacation ao Antsiranana, ary tsy nisy ny fitarainana voaray mahakasika ireo « arrieres » ny vacation ho an’ny « session 2020 ». Gaga ny rehetra raha nanambara ny tompon’andraikitra fa mbola misy « arrieres » mbola tsy voaloa ny « session » faharoa ny bakalorea 2019. Mampametra-panontaniana izany hoe tena misy marina ve ireo « arrieres » mbola tsy voaloa ireo ary aiza ny mangarahara mahakasika ny fitantanam-bola amin’izany ? » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Fantatra arak’izany efa nalefa ireo « vacation » ny taona 2020.

Tsy nitazam-potsiny anefa ny Minisitra manoloana izany toe-java misy any Antsirana izany, koa tao aorian’ny fanambarana izay nataony dia tsy tafandrimandry fa nidina ifotony mihitsy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny faran’ny herinandro teo, ary nanokatra fanadiadiana mikasika izany fanodikodinam-bola izany. « Ny 10 Aogositra 2021 lasa teo no nalefa ny vola tokony hanefana izany arakin’ny laharam-pandefasana 166/BTR/TME » rah any fanazavana nomen’ny avy ao amin’ny Ministera mpiahy hatrany. Tsiahivina fa hentitra tokoa ny Profesora Assoumacou Elia Beatrice raha nilaza fa « saro-pady ny fanadinana bakalorea ».

« Nisy ny fiaraha-midinika nifanaovan’ny Minisitra sy ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fitsarana ny fanadinana bakalorea ny andron’ny fahatongavan’ny tompon’andraikitra taty an-toerana » hoy i Raymond, isan’ireo nanatrika ity dinika ity.

Tafiditra tao anatin’ity fidinana ifotony izay nataon’ny Minisitra ity ny fitsirihana ny fandrosoan’ireo fotodrafitr’asa natsangana eny anivon’ny Oniversite an’Antsiranana.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire