ActualitésTatitra

Afghanistan : Saka 60 sy alika 140 no avoaka ao an-toerana

Nanome alalana ny sekreteran’ny fiarovana britannique fa mahazo avoaka ny firenena amin’ny sidina an’habakabaka ireo biby fiompy ao Kaboul rehefa tsy nanaiky izay ny talata teo. « Maro be ireo olona sy zaza amam-behivavy mila avoaka alohan’ireo biby ireo tonga mitalaho eto amiko » hoy izy tamin’izany. Ny firotsahan’ny praiminisitra an-tsehatra kosa ny nampiova ny fanampahan-keviny. Mbola ireo biby ao amin’ny fonenan’ny biby tsy manan-kialofana natsangan’i Paul Farthing, mpikamba tao amin’ny tafika an-dranomasina taloha ihany nefa no mbola hisitraka izany raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire