Ilaina tokoa ve ny taxi moto eto Antananarivo ?
Manomboka betsaka ny manana kodiaran-droa eto amintsika ary mikaroka izany ho lasa fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny taxi moto. « Mamono ny tsenan’ireo taxi efa nahazatra hatramin’izay ny taxi moto, isika anefa natao hifamelona fa tsy hifamono » hoy ny sasany. Etsy an-kilany, nilaza i Joro, manao ny asa taxi moto fa « Samy manana ny tsenany io, aleo ny olona hanana safidy malalaka amin’izay tiany andehanana toy ny bus tsotra sy ny bus class, mifamono angaha izao ireny ? ».
Nilaza ny filohan’ny FTAR eo anivon’ny kaominina Antananarivo, Raharinirina Clémence fa tsy vitany samirery intsony ity ady mikasika ny taxi moto ity fa ilainy fanohanana avy any amin’ireo mpikambana mba tsy hahapotika ny asan’izy ireo. Hisy noho izany ny fandinihana ny hanomezana alalana ny taxi moto hiasa malalaka eto Antananarivo mandritra ny fivorian’ny mpanolotsainan’ny tanàn’Antananarivo amin’ny alatsinainy 30 sy talata 31 aogositra 2021 ho avy izao.
Tsiahivina fa efa nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ireo Taxi ville miisa 1 200 ho fanafoanana ny Taxi moto ary nalefa tany amin’ny Atoa Ben’ny tanàn’Antananarivo. Ilaina tokao ve ny taxi moto eto amintsika ?
Nicole Rafalimananjara
