ActualitésTsidika

Niterahany roa ny zanany vavy

Nitory ny rainy niteraka azy teny anivon’ny tompon’andraikitra ny tovovavy iray noho ny fanolanana natao taminy. Vao kely ity zanany ity no maty ny reniny ka naterin’ity rainy ity tany amin’ny masera ary vao 16 taona ilay tovovavy no nalainy ilay rainy hiara-hipetraka aminy amin’izay.

Nitsiry tao ny filan-dratsin’ity rangahy ka naolany ary niterahany tahaka ny vadiny mihitsy ity zanany. « Tsy afaka nanohitra aho fa sady matin’ny vono no tsy omeny sakafo raha tsy manaiky, nangina aho hatramin’izay » hoy ity zanany raha nitory azy. Niteraka roa tamin’ity rainy ilay tovovavy ary nandritra izany fotoana izany no niainany tao anaty fahanginana noho ny fandrahonana nomena azy. « Efa telo volana lasa izao no tonga teto aminay izy ary nitantara ny nanjo azy ka nanoro hevitra azy ny mba hametrahany fitoriana izahay » hoy ny Masera.

« Tena mampalahelo ny zava-nitranga, zanakao izao dia vitanao ny hanao izany aminy kanefa ray tokony ho saro-piaro amin’ny fitondran-tenan’ny zanany vavy » hoy i Mariette, renim-pianakaviana naneho ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera. Nihaiky ny heloka vitany ity rangahy taorian’ny fampanoavana.

Mbola misaina tsara ve ny raim-pianakaviana mahavita ny tahaka izao amin’ny zanany vavy ? Ny zanakavavy no hampiharana ny filan-dratsy tsy voatana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire