Ambotrolomahitsy : Omby telo no very, tsy mbola hita hatramin’izao
Omby telo no lasan’ny dahalo tany Ambohitrolomahitsy ny zoma 19 aogositra lasa teo. Niezaka nanara-dia ihany ny fokonolona saingy tsy hita mihitsy ny lalan’ireo mpangalatra. « Tapitra ny 3 andro izay andraikitry ny fokonolona hanarahan-dia ny omby ary tsy hita mihitsy ny lalany na dia efa niezaka aza izahay » hoy i Arsène, mponina any an-toerana.
« Efa lalàna napetraka teto amin’ny kaominina mihitsy ny hoe rehefa misy omby very dia manampy manara-dia ny omby ny fokonolona mandritra ny telo andro aorian’ny nahavery ny omby fa rehefa dila izay dia ny tompon’omby amin’izay no mitady » hoy ny ben’ny tanàna any an-toerana. « Miraviravy tanana ny mpitandro filaminana manoloana ny halatr’omby hany ka izahay samy fokonolona tanam-polo sisa no mifanampy manao izay azo atao, ataovy mafy hidy ny vala hoy fotsiny ireo zandary aty » hoy ny tompon’omby very. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany no tanjona kanefa toa ireo vahoaka ihany no tena miaro ny fananany.
Mila vahaolana ireo mponina satria matetika loatra ny tsy fandriam-pahelamana any na-toerana. Ny zandary ve no vitsy an’isa ka tsy maharaka intsony sa tsy vonona amin’ny asany ?
Nicole Rafalimananjara
