Mitaky ny fialan’ny Sekreteran’ny Fokontany Manakambahiny ny fokonolona
Nisy andian’olona nidina an-dalambe sady nilanja sora-baventy teny Manakambahiny, Boriborintany faharoa Antananarivo renivohitra ny marainan’ny 23 aogositra 2021 lasa teo. Mitaky ny fialan’ny Sekreteran’ny Fokontany no tena anton’izao.
« Tsy mahalala ny ativilany eto an-tanàna ny sekretera ao amin’ny fokontany fa maika haka ny volam-bahoaka fotsiny » hoy ny mponina iray ary mbola nohamafisin’izy ireo tamin’ny sora-baventy izay lanjainy izany. « Tsy mety aminay mponina eto ny fomba fiasany, tsy hainy izany sekretera izany ka tokony hiala izy » hoy i Solo, mponina any an-toerana. « Mivaralila ny firenena ankehitriny, sambany vao nisy tahaka izao teto, hatrany amin’ny fokontany ihany koa dia mahita an’izay hitokona » hoy i Claudine, mpivarotra teny amin’ny manodidina. Aiza ilay fitsinjaram-pahefana entina mandoroso ? Mitaraina ny vahoaka. Fitsinjaram-pahefana tena izy no tokony haroso amin’izay sady ireo manan-traikefa sy manam-pahaizana no mitantana ny fokontany ary mikarama amin’ny ara-dalàna fa tsy mangala-tety amin’ny volam-pokontany.
