Niatomboka ny fanaovana ireo foto-drafitr’asa any amin’ny kaominina Antoby Est
Maro tokoa ny foto-drafitr’asa efa tokony havaozina sy ampiana noho izy ireo efa ilaozan’ny toetr’andro sy tsy maharaka nohon’ny fitoboan’ny isan’ireo vahoaka misitraka azy.
Nanolotra fotodrafitrasa samy hafa ho an’ny kaominina Antoby Est ny Governoran’ny Faritra Itasy nandritra ny fanokafana ny tsenabe « Fanamby ». « Izany no natao mba ho fanatanterahina ny velirano faha-2 sy 11 ary ny faha-13 nataon’ny Filoham-pirenena » raha ny voalazan’ny governoram-paritra.
Anisan’ireo fotodrafitrasa lehibe natolony tamin’izany ny famerenana ny famatsian-drano noho ny fanapotehana ny fantsona nataon’olon-tsy fantatra. Velirano faharoan’ny filoham-pirenena, « angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra » ary voasokajy ho zo fototra ny fisitrahana ny rano fisotro madio sy ny fanadiovana ary fidiovana. « Roa taona teo izay no tsy nisy intsony ny famatsian-drano tamin’ny paompy teto Antoby » raha ny filazan’i Jeanine, mponina ao an-toerana.
Toerana anisan’ireo mpamatsy vokatry ny tany ny aty an-tanan-dehibe raha i Antoby, mampananosarotra ny fampiakarana sy ny fahatongavan’ireo vokatra rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra anefa ny faharatsian’ny lalana. Manolona izany no nilazany fa « ho asiam-panamboarana ny tetezana roa izay tsy afaky ny fiara vaventy rehefa tonga ny fahavaratra ».
Tsy nanadino ireo tanora mpankafy fanatanjahan-tena ihany koa ny Governora fa nanao avy hatrany ny tao hoe « terrassement » ny kianja fanaovam-baolina kitra izy. « Maro tokoa ireo kilonga no tena mamiratra sy manan-talenta amin’ity baolina kitra ity ary tokony tohana hatrany » raha ny nambaran’i Setra, tanora mpilalao bolina any an-toerana.
Nandritra ny lahan-teniny no nilazan’ny Governoran’ny faritra fa « Mitohy hatrany ny hezaka ataon’ny Governora hanatanterahana ireo veliranon’ny Filoha mba hisian’ny fampandrosoana ary ireo misy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka no omena tombondahiny ».
Fanja Rakotoarisoa
