SportTsidika

Tsy handray anjara amin’ny fiodinana voalohany amin’ny fiadiana ny tompon-daka nasionaly D2 ny CFFA

Efa manao fanazaran-tena eny amin’ny kianja Ambohidratrimo amin’izao ny ekipa avy ao amin’ny « Centre de Formation de Football d’Andoharanofotsy » na ny CFFA, manomana ny lalao « Coupe de la Fonfédération Africaine de Football » CAF.

Nisafidy ny tsy handray anjara amin’ny fiaidana izay ho tompon-daka nasionaly amin’ny D2 izay ho atao any Antsiranana izy ireo. « Mila mifantoka bebe kokoa amin’io CAF io izahay ka tsy handray anjara amin’ny lalaom-pirenena any Antsiranana » hoy Rakotoarimanana Henintsoa, mpitarika ny CFFA. « Safidin’ny ekipa sy ny mpitarika azy mihitsy ny tsy handray anjara, tsy hita ihany koa izay maharatsy izany fa aleo izy hifantoka tsara amin’ny CAF » hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga. « Ny 12 septambra izao izahay no hihaona amin’ny ekipan’ny Zambie eny Mahamasina ary ny 19 septambra kosa ny lalao miverina any Zambie, ka tsara raha manomana tsara ireo lalao ireo aloha » hoy ny mpilalao iray avy ao amin’ny CFFA.

Voninahim-pirenena tokoa izany, tsara ny mametraka ny laharam-pahamehana foana raha te handroso.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire