États-Unis : Mpanjono iray nahazo trondro misy nify toy ny olombelona
Tao Caroline du Nord no nahita ity trondro hafakely ity tany amin’ny fiandohan’ny volana aogositra tany. Toerana fanjonoana sady sekoly jono malaza ao an-toerana antsoina hoe Jeanette’s Pier no namoaka ny sarin’ity trondro ity tao amin’ny tamba-jotra Facebook ka nitarika resa-be hatrany amin’ny haino aman-jery. Raha ny fantatra dia lehilahy iray antsoina hoe Nathan Martin no nanjono azy.
Sokajiana ho trondro lohan’ondry ity trondro ity. Miavaka amin’ny vavany mafimafy sy ny andalana vazana maromaro ao anaty vavany izy. Manampy azy amin’n fihinanany sakafo izany raha ny fanazavana izay misy akorandrivotra ny ankahamaroany toy ny « huîtres », « palourdes » ary ny fozabe.
