La Réunion : Mandefa filazana ny zandary fa tsy hita i Brigitte Ligney
Nanaparitaka ny tsy nahitana an’i Brigitte Ligney izay ramatoa 62 taona ny zandary any La Réunion ny alakamisy 19 aogositra lasa teo. Efa nanomboka ny 26 jolay no tsy hita ity ramatoa izay sady ben’ny tanàna aob amina kaominina iray ka taitra ny zandary any La Réunion sy ny any Haute Montagne. Nanodidina an’i Piton de Bert no nahaverezany ary niezaka nitady ihany ny fianakaviana sy ny namana ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo nandritra izay herinandro maromaro izay. Izao ny zandary amin’izay no niditra an-tsehatra amin’ny fikarohana. Ny 26 jolay, nivoaka niaraka tamin’ny vadiny tany Basse-Vallée izy ary somary nifandao minitra vitsy izy ireo no tsy hita intsony ilay ramatoa. Tsy hita hatramin’izao na dia efa betsaka ny fikarohana natao.
