ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Efa misy ny bajaj fitaterana mponina

Efa misy ny fitaovam-pitaterana vaovao miasa mampitohy ireo fokontany ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, amin’izao fotoana. Nisokatra nanomboka omaly, ny fitaovam-pitaterana, bajaj, mampitohy an’Ampahimanga, Ambohipeno, Tsarataona ary Ambohitsimeloka, araka ny voalaza.

“Efa misokatra ny fitaterana eto amin’ny kaominina Ambohimanambola. 500ariary ny saran’izany. Marihina moa fa eo amin’ny fokontany Ampahimanga ary manoloana ny fiangonana Ambohitsimeloka ny fiantsonana fiaingana” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Tena tsara tokoa ny ezaka tahaka izao. hisaorana ny tomponandraikitra satria efa ela no niandrasana izany. Tombony lehibe ho anay mponina satria manala ny fahasahiranana amin’ny fivezivezena sy ny maro hafa” hoy i Suzie, mponina ao          Ambohipeno.

Ao anatin’ny andrana moa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana. Afaka mitondra hevitra sy fanatsarana ihany koa ireo mpanjifa ao anatin’izany.

Laisser un commentaire