Tsidika

Lalam-pirenena faha-3: Mitohy ny asa fanamboaran-dalana

Mbola ao anatin’ny asa fanarenana tanteraka izao ny lalam-pirenena faha-3 mampitohy ny Distrikan’Ambatondrazaka sy ny Distrikan’Amparafaravola. Amin’izao fotoana izao dia  miroso amin’ny fandrakofana tara ny  ampahany amin’ity lalana ity izay miainga eo Manaingazipo, mandalo eo Bejofo ka hatrany Sahabe ireo mpandraharaha miasa any an-toerana. “ Ezahana ho vita ao anatin’ny fotoana haingana kanefa amin’ny kalitao tsara ny lalana satria efa an-taonany maro ireo mpampiasa lalana no mikaikaika nitaraina tamin’ny fahasimban’ity lalana ity. Efa miditra amin’ny fandrakofana tara ny arabe izahay ankehitriny araka izao hitantsika izao, izany hoe efa mamaraparana amin’ny ampahany ny asa izany izahay izao.” Hoy ny tompon’andraikitry ny fanarenana. “ Aleo mihitsy ho vita ny lalana fa tena mijaly izahay amin’ny fivezivezena teo aloha. Raha lalana tokony ho vita ao anatin’ny ora iray lasa atao adin’ny roa latsaka kely. Ny lalana rahateo koa no mariky ny fandrosoan’ny tanana iray ka raha ratsy ny lalana dia miverina mihidy lavitry ny fandrosoaana ny tanana.” Hoy ny mpitatitra fiara lehibe .  Anisany lalam-pirenena nahavelon-taraina ny mpampiasa azy efa  hatramin’ny ela ity laalam-pirenena faha-3 ity ka izao nasiana fikitihana izao. Nohon’ny fahanteran’ny foto-draritrasa  dia  efa mila fanavaaozana avokoa ny akamaroan’ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara. Manamafy izany koa ny fahamaroann’y antso ataon’ny mpitatitra amin’ny Fanjakana mahakasika ny faharatsian’ny lalana.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire