Fahasalamana : Hanolotra fizaham-pahasalamana maimaim-poana ny Clinique Médicale Innovation Nanisana
Dépêche 24 novembre, 16h, Ny alatsinainy 28 novambra izao, manomboka amin’ny 8 ora ao amin’ny Clinique Médicale Innovation Nanisana dia hisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ny aretina diabeta sy ny tosi-drà ambony no hotiliana amin’izany ka ho maimaim-poana ihany koa ny fanafody raha toa ka vao manomboka marary. Ny fahasalamana no voalohan-karena, tsy tokony hatao ambanin-javatra ireo aretina ireo satria mety hitondra amin’ny fahafatesana mihitsy izany. Mila fantarina ihany koa ny toe-batana hahafahana miaro tena.
