ActualitésTsidika

Alasora: Hita taratra ny fiovana teo amin’ny fanalana ireo mpivarotra ambony tetezana Ankadindratombo

Anisan’ny toerana hifamezivezen’olona maro ny eny amin’ny tetezan’Ankadindratombo. Teo aloha, maro ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana, amoron’arabe ary ambony tetezana, izay sady mibahana no miteraka fanelingelenana ho an’ny mpampiasa lalana. Nanao ezaka, fanamby araka izany ny avy amin’ny kaominina ny amin’ny fanalana ireo mpivarotra teny an-toerana ary hita taratra izany fiovana izany amin’izao fotoana izao.

“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ho an’ny fampandrosoana ny fampanarahan-dalana ireo mpivarotra sy ny fifampitsinjovana eo amin’ny mpampiasa lalana. Misy ny lalàna ifampifehezana izay tokony ary tsy maintsy hajain’ny rehetra mba hisian’ny filaminana, ao anatin’izany ny fanajana ny toeram-pivarotana, ny resaka fahadiovana ary ny maro hafa” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

“Hita tokoa ny fiovana na teo amin’ny resaka fahadiovana na fahalalahan’ny lalana. Tokony tohizana hatrany ny fanentanana, indrindra any amin’ny resaka fanajana ny fahadiovana, ilaina ihany koa ny fanaraha-maso indrindra fa isan-kariva satria misy ihany ireo mpivarotra tazana eny amin’ny hariva” hoy I Lanto, renim-pianakaviana.

Mbola maro ireo ezaka eny ifotony no mila fanentanana sy fandraisana andraikitra. Anisan’ny hetsika mahomby ny fanatanterahana fanamby eny anivon’ny fokontany ho fampandraisana anjara ny rehetra, anisan’izany ny fanamby amin’ny fanentanana amin’ny resaka fanaria-pako sy ny fanamboaran-dalana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire