Dépêches

Fialam-boly: Hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny taranja Billard i Danny Andriamihaja

Dépêche 13 octobre, 10h15, Miatrika ny amboara eran-tany amin’ny taranja Billard Blackball any i Danny Andriamihaja. Namiratra izy tao anatin’izay lalao efa vita izay satria dia naharesy ilay tompon-daka eran-tany farany teo dia i Scott Gillepsie avy any Ecosse izy nandritra ny ampahavalon-dalana izay nifanandrinan’izy ireo. Hiatrika ny ampahefa-dalana indray izy ka hiatrika an’i Christophe Lambert izay efa tompon-daka imbetsaka tao Frantsa sy Eropa. Reharehan’ny Malagasy ny fahafantarana fa manana olona sangany sy mana-talenta ohatran’izao isika.

Laisser un commentaire