Androy : Tafaverina amin’ny tompony ireo omby nangalarin’ny dahalo
Dépêche 05 octobre, 16h, Nampiseho ny fahaizany indray ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena tao Androy ka tafaverina soa aman-tsara ireo omby 11 isa nangalarin’ireo dahalo tany an-toerana. Raha tsiahivina dia tao Nandrosoa Ampamata, distrikan’Ambovombe Androy no nisehoan’izao asan-dahalo izao. Rehefa natao ny haza hao sy ny fiaraha-miasa tamin’ny mponina sy ireo Zandary dia tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony ireo omby ireo.
