Ambohimangakely : Nisy ny hetsika mikasika ny hetra
Natao teny Soamanandrariny ny hetsika nataon’ny kaominina Ambohimangakely ho fanentanana ny olona handoa hetra. Tontosa omaly izany.
« Ny fandoavan-ketra no fidirana amin’ny sehatra ara-dalàna. Io ihany koa no fomba iray ho entina mampandroso ny kaominina sy ny tanàna iray manontolo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Tsara ny manatona hatrany ny kaominina raha misy ny fanontaniana mikasika ny fitantanana ny hetra. Ny fahitantsika ny fandrosoan’ny tanàna no vao maika mampavitrika antsika amin’ny fanefana izany » hoy i Felana, mponina ao Ambohimangakely.
Miezaka manatona antsika foana ny kaominina amin’ny tokony hanefana ny hetra. Efa misy ihany koa ny haratra ho an’ny mpandoa hetra mba hampangarahara ny fitantanana izany.
Nicole Rafalimananjara
