Comores : Nawal, anisan’ny vehivavy voalohany niakatra an-tsehatra
Mpihira sy mpamorona ary mpandika hira avy ao Comores i Nawal Mlanao antsoina hoe Nawal. Teraka ny taona 1965 tao Moroni, renivohitr’i Comores ny tenany. Mihira amin’ny fitenin-drazany izy, mihira amin’ny fiteny arabo, frantsay ary anglisy ihany koa nefa. Ny gitara sy « gambusi » no zava-maneno tena tendreny fa mahay mampiasa ny « udu » sy « mbira » ihany koa izy.
Anisan’ireo vehivavy mpihira, mpamorona ary mpitendry zava-maneno samihafa voalohany niakatra an-tsehatra tao Comores i Nawal. Tia maneho ny harena ara-kolontsaina sy mozika ao amin’ny fireneny izy na amin’ny feo na amin’ny gadona na amin’ny zava-maneno.
