Dépêches

Saran-dalana : Ho azonina 600 Ar ny saran-dalana

19 Jolay, 14h30  »Tsy misy adihevitra intsony fa 600 Ar ny saram-pitaterana eto Antananarivo Renivohitra », hoy ny tompon’andraikitry ny Fitaterana an-tanàn-dehibe, ny kaomisera Ainanirina Albert Estel. Omena fe-potoana hatramin’ny alakamisy izao ny tompon’andraikitra, hamerenana ny saran-dalana izay efa nifanarahan’izy ireo tamin’ny fanjakana hoy izy ireo.

Hosaziana mafy izay tsy manaraka izany raha ny fanamafisan’izy ireo nandritra ny famoriana mpanao gazety. Hisy afisy hapetaka isaky ny fiara, manambara fa 600 Ar ny saran-dalana.  »Izay minia tsy mametaka izany dia midika fa mbola mampihatra ny saran-dalana 800 Ar », hoy  ny kaomisera, Ainanirina Estel.

Laisser un commentaire