Fianarantsoa : Feno 99 taona ny Semipi
Manakalaza ny faha 99 taona niorenany ny sekoly miaramilam-pirenena (SEMIPI) ao Fianarantsoa. Niorina ny taona 1923 nandritra ny vanim-potoanan’ny fanjanaha-tany ny sekoly ary tao Betongolo no nisy azy voalohany. Nisy ny fifindran-toerana maro ka napetraka tao Fianarantsoa ny sekoly ny taona 1964. Manomana zatovo lahy malagasy hiditra eny amin’ny Sekoly ambony fanofanana ho manam-boninahitra no anisan’ny tanjon’ny sekoly.
