Dépêches

Tatitry ny filan-kevitry ny minisitra ny 11 mey 2022

12 May, 13h00. Nanome ireo toromarika hanafainganana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny fambolena mba hiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Hatolotra ny vahoaka Malagasy alohan’ny 26 jona izao izany drafitra izany. Nankatoavina nandritra izany ihany koa ny fametrahana ny vidiny farany ambany amin’ny lavanila maintso ho 75.000 Mga/kg ho an’ny taom-pivarotana 2022-2023. Eo ihany koa ireo « Nouveaux Projets Emergents » an’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity ho an’ny taona 2022 momba ny fanorenana ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera any amin’ny Faritra Sofia (Mandritsara), Analanjirofo (Maroantsetra), Ihorombe (Ihosy).

Laisser un commentaire