JONO : Hiakatra avo fito heny ny famokarana trondro
27 Janoary, 08h00. Hiakatra ho 150 000T hatramin`ny 200 000T isan-taona ny vokatra trondro andranomamy manerana ny nosy raha 30 000T izany ankehitriny. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Agrival sy ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izany. Hiroso amin’ny fanatsarana ny fanomezana sakafo ireo trondro sy ny famokarana toro-lalana miaraka amin`ireo mpiaramiombon`antoka ahafahana mampianatra ireo mpiompy trondro eto Madagasikara ireo tompon’andraikitra. Hidina ifotony hijery ireo toerana rehetra afahana miompy trondro ihany koa ireo ratsa-mangaikan’ny Ministera sy ireo governoran’ny faritra ahafahana manaparitaka ny teknika mahomby.
