SocialTsidika

Manandriana : Nianjera ny trano, tsy nisy ny aina nafoy

Nitranagana fianjerana trano tao Manandriana Avaradrano omaly. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny fahapotehan’entana no nisy.

« Ny vaovao mahafaly aloha dia tsy nisy aina nafoy. Tsy midika akory izany hoe manamaivana ny fahapotehana. Ny entana mbola azo soloina fa ny aina tsy azo soloina intsony » hoy i Solofo, mponina ao Manandriana. « Iangaviana isika izay mipetraka amin’ny trano ahiahiana mba ho mailo manoloana izao andro ratsy izao. Tsara ihany koa raha mampilaza haingana ny tompon’andraikitra akaiky indrindra raha sendra ny loza » hoy ny avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Manandriana.

« Mampahery antsika rava trano rehetra nandritra izao andro ratsy izao. Mafy ny fahavoazana fa ny tena mahafaly dia mbola samy velon’aina aloha. Miondrika am-panajana tamin’ireo lavo noho ity toetr’andro ity » hoy ny fianakaviana nianjera trano tao Manandriana. Lahitokana tokoa ny aina. Tsara raha mailo hatrany sy miomana mialoha manoloana ny andro ratsy tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire