Mahavatsy Toliary: Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana
18 Janoary, 09h00. Toeram-pivarotana iray no notafihan’ny lehilahy dimy tao Mahavatse II, Toliary ny alahady tamin’ny 1 ora maraina. Nirongo fitaovam-piadiana ireo andian-jiolahy ireo ary nanery ny ramatoa tompon’ny tsena namoaka ny vola sy ny fananana rehetra. Nanohitra izany nefa ity farany ka novelesin’ireo jiolahy ny maritoa teo amin’ny lohany kavoatery nanome ny vola an-tapitrisany sy ny volamena ireo jiolahy.
Nilefa ireo jiolahy rehefa azony izay nilainy ary efa nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly kosa ilay ramatoa. Efa mikaroka ity andian-jiolahy ity ny manam-pahefana ao an-toerana ankehitriny.
