SocialTsidika

Hanao ahoana ny fizotran’ny asan’ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ?

Hanomboka handray ny toerany ka hiasa mandritran’ny fito taona indray ankehitriny ireo mpikambana vaovao eny anivon’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana. Izy ireo izay manana andraikitra lehibe tokoa eo amin’ny toe-draharaham-pirenena rehetra. Anisan’ny hiandraiketan’izy 9 mianadahy ireo ny sehatry ny fifidianana, ny lalàm-panorenana sy ny manodidina izany. Mbola andraikitr’izy ireo ihany koa ny fandaminana ny raharam-pirenena raha toa ka misy ny fisavorovoroana ara-politika. Anisan’ny toetra nisafidianana azy ireo ny tsy fiandaniana amin’ny antoko sy ankolafin-kery rehetra misy. Marihina fa mpitsara sy mpahay lalàna avokoa ny ankabeazan’izy sivy mianadahy voafidy vaovao. Tafiditra ao anatin’ny lahatenim-pianian’ireo mpikambana ny hoe “hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ary am-pahamendrehana ireo andraikitra hatolotra ao amin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana, tsy hiandany na amin’iza na amin’iza fa handray fanapahan-kevitra an-kalalahana ka ny fanajana ny lalam-panorenana sy sy ny lalàna manankery ary ny foto-kevi-dehibe raketiny no hany hibaiko amin’izany, hitazona mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny fitsarana.” Izany rehetra izany no manaporofo fa manana andraikitra lehibe ireo mpikambana vaovao ireo, ary am-pahitsiana sy manaraka ny lalàna velona hatrany no handraisana fanapahan-kevitra sy hitondrana ny fiainam-pirenena. Manantena izany avokoa ny vahoaka Malagasy rehetra sy ireo andrim-panjakana misy eto amin’ny firenena araka izany. Izy ireo rahateo izay tsy vaovao amin’ny lalàna mipetraka eto amin’ny repoblikan’ny Madagasikara. Marihina moa fa tsy misy ny fiovana amin’ireto mpikambana ireto mandritra ny 7 taona.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire