Tatitra

Comores : Misafidy ny vaksiny matanjaka indrindra ho azy

Namoaka didy ny gouvernemantan’i Comores ny talata 16 febroary lasa teo eo fa an-dalam-pandinihana ny karazana vaksiny mety amin’ny mponina hiarovana amin’ny COVID-19 izy ireo nandritra ny filankevitry ny Minisitra. Ity firenena ity izay mbola tsy naharay vaksiny ary te hahalala ny vaksiny tena mandaitra aminy. Izy anefa tsy manana fahasarotana loatra ny amin’izay vaksiny izay satria manana fifandraisana tsara amin’i Inde, Chine, Etats-Unis, Russie. Fa kosa ny olana kely dia eo amin’ny mety hitahirizana azy. Tsara ho fantatra fa fito ny maty tany an-toerana nandrapahatongan’ny novambra 2020; fa nihitatra kosa ny isa nanomboka ny desambra ka nahatratra 67,8% ny olona tratran’ny COVID-19 hatramin’ny janoary 2021. 133 no maty amin’ny ankapobeny any an-toerana. Efa tena nihena kosa ny isan’ireo marary nanomboka ny 10 febroary lasa teo raha ny voalazan’ny tale jeneralin’ny fahasalamana any Comores, Dr Aboubacar Said Anly.

Laisser un commentaire