Ranomafana : Nirehitra ny afo tao amin’ny tobin’ny zandarimaria
Nitranga ny firehetana tany amin’ny 11 ora tolakandro ny Alarobia 18 Aogositra 2021, raha niandoha sy nivoaka avy any amin’ny tafo ny lelafo dia nihitatra tsikelikely tamin’ny trano miisa 10 izany.
Ravan’ny afo tanteraka araka izany ireo trano fonenan’ireo ankohonan’ireo zandary, trano iray nifanila tamin’ny tobin’ny zandary ity ihany koa no simba. Tsy voafehy moa ny afo raha tsy ora roa taty aoriana. Raha ny vaovao voaray, tsy nisy olona maty na naratra vokatry izany firehetana izany. Mbola manohy ny asany hatrany ireo zandary miasa ao amin’ity toby ity na dia teo aza izany tranga izany ary ho hafindra amin’ny toeram-ponena vonjimaika ireo zandary sy ny ankohonany. Raha ny vaovao azo teny an-toerana, olana teo amin’ny herinaratra (court-circuit) no nahatonga ny firehetana, efa misokatra moa ny fanadihadihana mahakasika izany.
Nisehoana haintrano ihany koa tao Antanambao Sotema Mahajanga. Trano sy tsenakely miisa 14 no ravan’ny afo tao anatin’izany. Tsy nisy olona namoy ny ainy na naratra nandritra izany araka ny vaovao teny an-toerana. Ireo entam-barotry ireo mpivarotra kosa, tsy nisy azo noraisina fa levon’ny afo avokoa. Mbola tsy fantatra hatreto ny loharano niavian’ny afo. Efa misokatra etsy andaniny ny fanadihadihana momba ity raharaha ity.
Amin’ny ankamaroan’ny tranga hain-trano toy izao, ny tranga iray amin’ny efatra dia vokatry ny herinaratra avoko. Mba hisorohana ny loza sy ny hain-trano, tsara hatrany ny mampahatsiahy fa tokony ho vonoina hatrany ny herinaratra mialohan’ny hivoahana ny trano.
Sitraka Rajaonarivony
