ActualitésTsidika

Lany hitantana ny FJKM indray I Irako Andriamahazosoa Ammi

Vita soa aman-tsara tany Sambava nandritran’ny Synoda lehibe faha sivy ambin’ny folo ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny fifidianana ny ho filoha vaovaon’ny FJKM indray. Nivoaka ny valin’ny fifidianana ka fantatra fa mbola manohy ny fitantanana mandritran’ny efa-taona manaraka indray ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi.

Efa filohan’ny FJKM nanomboka ny 2016 ny tenany ary izao lany izao indray. Vato miisa 198 tao anatin’ny mpifidy 250 no azony tamin’izao fandreseny izao ary avy hatrany dia manohy ny asany amin’ny fitantanana ny raharaha rehetra eo anivon’ny FJKM izy.

« Hita taratra amin’ny fomba fiasa sy fomba fanehoan-keviny tokoa fa tena olona matotra izy ary mendri-pahatokisana, mendrika ho azy ny mbola ho filohan’ny FJKM » hoy i Sarah, mpino avy ao amin’ny FJKM Androndra fahasovana izay fitandremana iadidiany. Tso-drano kosa no natolotrin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpitandrina rehetra azy amin’izao fahalaniany izao. Raha ny filazan’ireo mpanara-baovao hafa indray kosa : « Mbola asa goavana no miandry azy ireo: toy ny famerenenana ny fitokisan’ireo mpino sasany izay efa lasa namonjy fiangonana hafa ».

Hita taratra ny fahamatorany eo amin’ny fitondrana ny FJKM. Tsy dia faheno loatra ny fisian’ny tsy fifankazahoana eo amin’ireo mpiandraikitra sy ny sisa na eo anivon’ny synodam-paritany rehetra hatramin’izay naha filoha azy. Milamina tsara arak’izany ny fitantanan-draharaha andraiketan’ity Filoha ity. Mirary soa azy hatrany amin’ny asa rehetra sy andraikitra miandry azy.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire