SocialTsidika

Fitantanana ireo fako eny amin’ny tobim-pahasalamana : Voafidy ho maodely ny CHU Androva

Voafidy ho isan’ireo Hopitaly maodely ny Centre Hospitalier Universitaire (CHU) Androva. Ny hopitaly Androva no voatendrin’ny Ministeran’ny fahasalamana hanatsara ny fitantanana ekolojika sy mirindra ny fakon’ireo tobim-pahasalamana.

Tetikasan’ny Governemantan’i Japon sy ny ONUDI (Organisation des Nations Unis pour le Développement des Industries) hiarahana miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra izany. Tamin’ny fitsidihana nataon’ny solontenana maharitry ny Onudi Madagascar, Volatiana Rakotondrazay an’ny Goverora ny faritra Boeny no nanolorany ity tetikasa mitondra ny lohateny « Fampidirana ireo fomba fanao tsotra sy teknika fitantanana ireo fako eny amin’ny tobim-pahasalamana ary tafiditra ao anatin’izany ny fakon’ny covid-19 ».

Tanjona amin’izany ny hametrahana fepetra ho fiarovana ireo mpikirakira ny fako eny amin’ny tobim-pahasalamana sy eny amin’ny fiaraha-monina. Haharitra iray taona ity tetikasa ity, ny fanatsarana ny fitantanana ireo fako eny amin’ny hopitaly dia ho havoaka amin’ireo hopitalim-panjakana sy tsy miankina manerana an’i Madagasikara » hoy hatrany ny fanazavan’ny solontena maharitra ny Onudi. « Tena faly amin’izao fiaraha-miasa miaraka amin’ny PNUD izahay. Tsapa tokoa fa misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana ny fiparitahan’ireo fakon’ny hopitaly. Mifantoka Fahasalamana ny velirano faha-5 ny filoham-pirenena ary fiarovana ny tontolo iainana ny velirano faha-10 » hoy kosa ny Governora Mokhtar Andriantomanga.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire