PolitiqueTatitra

Afghanistan : Mitohy ny fitsoaham-ponenana

Mbola mitohy ny fialàna ao an-toerana telo andro tao aorian’ny figiazan’ny Taliban an’i Kaboul. Hipoka ireo mpitsoa-ponenana ny seranam-piaramanidina nanomboka ny alahady teo. Nahita fiaramanidina avy amin’ny firenena maneran-tany mihitsy ny “pont aérien” tao an-toerana, mivezivezy hitatitra ireo olona ireo.

Anisany hita tamin’izany ny fiaramanidin’ny tafika américain izay mamivavina ny hitatitra olona 30 000 ho ao amin’ny tobin’izy ireo ao Qatar sy Koweït. Ny sidin’ny tafika nanala ireo sivily sy ireo diplomaty tao Afganisthan kosa dia efa nazaka olona 2200 raha ny nambaran’ny Reuters ny alarobia teo.

Nanapa-kevitra ny andefa fiaramanidina ihany kosa ny mpikambana ao amin’ny Otan ny talata teo tao aorian’ny savoritaka tao an-toerana. Firenena sasany ihany koa no nandefa fanampiana ara-tafika tao an-toerana, efa 3000 no tonga tao Kaboul ny alatsinainy teo ary vinavinaina ahatratra 6000 izy afaka andro vitsivitsy.

Laisser un commentaire