Comores : 21% amin’ny mponina no vita vaksiny
Mihazakaza ny fanavam-baksiny ao Comores. Hanao vakisny olona 494 000 izay 60% ny mponina hatramin’ny faran’ity taona ity no tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ao an-toerana. Tsiahivina fa manana vaksiny 1 tapitrisa izy ireo ka ny 400 000 no efa nampiasaina nandritra ny fiodinana voalohany sy ny faharoa.
Mihafaingana kosa ny fanatanterahana ny vaksiny ao an-toerana raha ny fanazavan’ny tale jerenalin’ny fahasalamam-bahoaka. 173 250 no efa nahazo izay 21% ny mponina izay 41 358 monja nandritra ny fiodinana voalohany ary 131 892 ny amin’ity mbola an-dalàna ity.
