SocialTatitra

Haïti : Nandrahoana ny firenena indray ny tafiotra

Tao aorian’ny horohoron-tany tao Haïti dia efa ahiana indray ny faharavana mety ho entina tafiotra ao an-toerana. 1400 ny maty tamin’io horohoron-tany tamin’ny sabotsy io raha ny tafitra ofisialy farany ary 6 900 no naratra.

Nampitandrina an’i Haïti sy Républicaine dominicaine kosa ny ivon-toeram-pirenena misahana ny rivodoza ao Miami fa mety hiteraka tondra-drano sy fihotsahan’ny tany ity tafiotra hamely ny firenena ity. Nisafidy ny tsy hialoka ao an-trano kosa ireo Haïtien noho ny tahotra hianjeran’ny izany noho ny fahasimbana efa nateraky ny horohoron-tany.

Laisser un commentaire