ActualitésTsidika

Nanokatra masoivoho vaovao any Moramanga ny fiantohana ara-tsosialy Aro

Ny fiantohana ara-tsosialy ARO na ny « Assurances ARO » izay orinasa fiantohana ny olon-tsotra na efa matihanina amin’ny sehatra maro toy ny fiantohana ara-pahasalamana na ny loza maro isan-karazana, eo koa ny fiahiana ny fiaranana koa.

Efa tamin’ny taona 1975 no niorenan’ity fiantohana ara-tsosialy ARO ity ary 16 amin’ity masoivoho any Moramanga ityny masoivoho an’ny « Assurances ARO », efa misy masoivoho avokoa ny renivohi-paritany rehetra toy Antananarivo, Toamasina, Atsiranana, fa eo koa ny disistrika sasantsasany toa an’i Ambanja, Antalaha, Ambatondrazaka koa, ka izao indray dia ny disitrikan’i Moramanga no nisitraka izany masoivoho izany.

« Tsy mila mandeha lavitra intsony mankany amin’ny masoivoho Ambatondrazaka izay kilometatra maromaro indrindra amin’izao fanamboarana ny lalam-pirenena 44 izay mampifandray an’ireo toerana roa ireo ny mpanjifa any Moramanga » hoy ny tale jeneralin’ny « assurances ARO », Lantoniana Andriary nandritra ny lanonana fanokafana ity masoivoho ity. Ary mbola nampiany fa orinasa tafiditra amin’ny orinasa lehibe 100 misahana ny fiantohana ara-tsosialy ary izy irery no manana ny fanamarihana na ny « certification ISO 9001 : 2015 ».

Orinasa izay tena manana ny lazany amin’ny resaka fiantohana ara-tsosialy eto Madagasikara ity « Assurances ARO » ity ary efa mananika ny 45 taona izay no niasany teto amin’ny nosy.

Irariana ny hitohizan’ny fanapariahana ny masoivoho an’ity orinasa ity mba hisitrahan’ny vahoaka isam-paritra sy any amin’ny distrika.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire