ActualitésTsidika

Fifaninanana « cover » Lôlô sy ny tariny

Hifarana ny 24 aogositra ho avy izao ny fisafidianana ny ho mpandresy ny fifaninanana « cover » Lôlô sy ny tariny izay nokarakarain’ny Direction de l’Office des Sports et de la Culture (DOSC) an’i Oniversiten’Antananarivo.

Ny DOSC eny amin’ny oniversiten’Antananarivo izay misahana ny fampialana voly ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no nikarakara ity fifaninana ity ka mpianatra 10 no tafiakatra tamin’ny dingana famaranana izay efa nivoaka ny herinandro lasa teo ka ny mpijery no hisafidy ny ho mpandresy. Ankoatra ny fampahafantarana ny talentan’ireo mpifaninana dia mahazo vola mitentina 300 000 ariary ny mpandresy ity fifaninanana ity ka izay betsaka mpisafidy sy be mpitia sy ambony naoty avy amin’ny mpitsara n’ny fifaninanana no voahosotra ho mpandresy.

« Betsaka ny mpianatra nandray anjara tamin’ity fifaninana ity, fa tsy ity ihany anefa fa irei fifaninanana izay mifanindran-dalana amin’ity ary samy mahazo loka na ny voalohany na ny faharoa na ny fahatelo » hoy ny mpikarakara ny lalao. « Nandrisika ahy tamin’ity lalao Cover ity ny fitiavako manokana ny tarika Lôlô sy ny tariny sy ny fankafizana ny mihirahira miaraka amin’ny akama » hoy ny mpifaninana iray.

Anisan’ny fampivelarana ny sain’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny kilalao fifaninanana toy ity ary marihina fa maro ny kilalao nokarakaraina teny amin’ny oniversite toy ny baolina lavalava, « échecs » sy ny baskety an’olona 3. Manantena ny hitohizan’ity hetsika ity hatrany moa ny mpianatra sy ny mpampianatra ary nympandraharaha eny amin’ny oniversite.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire