Danemark : Tafiditra ao anaty petra-kevitra nahatonga ny covid-19 ny « fuite de laboratoire »
Lehiben’ny delegasion’ny siantifika iraisam-pirenena i Peter Embarek. Nalefan’ny OMS tao Chine izy hanadiady ny loharanon’ny tsimok’aretina Covid-19. Aminy dia petra-kevitra anisany mitombina indrindra ny «fuite de laboratoire».
«Mpiasan’ny laboratoire teo am-panaovana ny asany iray no mety voan’ny tsimok’aretina nandritra ny fakany ny santionany izany tamin’ny ramanavy” hoy izy. Teo no nifindrany tamin’ny olombelona hoy izy hatrany nandritra ny fandaharana tao amin’ny TV2.
