ActualitésTatitra

Israël : Manomboka amin’ny 50 taona no afaka manao vaksiny

Nehenan’ny fitondram-panjakana israélien eo amin’ny 50 taona ny taonan’ireo olona afaka manao vaksiny fatra fahatelo ny zoma teo. Roa herinandro teo nefa dia ny olona 60 taona mihoatra no nambaran’izy ireo fa hisitraka izany ary efa mahtratra 770 000 no nahazo izany raha ny isa farany navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana.

« Dingana lehibe amin’ity ady amin’ny valan’aretina ity ny fahombiazan’iny fanaovam-baksiny iny » hoy ny praiminisitra Naftali Bennett. Antony nahenana ny salan-taona nanomboka ny zoma teo mba ahafahan’ireo 50 taona mihoatra misatraka izany ihany koa.

Laisser un commentaire