Ady amin’ny fanaovana CD piraty : olona iray no saron’ny mpitandro ny filaminana
Lehilahy iray no tratry ny « Brigade Anti-Piratage » na ny BAP tao an-tranony noho ny asa fanaovana kapila mangirana hosoka an’ny trano mpamokatra iray eto an-toerana sy vahiny.
Ny marainan’ny 12 aogositra lasa teo no voasambotry ny sampan-daraharaha miady amin’ny fanaovana asa sandoka ny vokatra eto an-toerana ny lehilahy iray tao an-tranony tetsy Ampefiloha Ambodirano ka tratra tamin’izany ny « tours duplicteurs » telo, « unite central » iray, « ecran plat » iray, DVD hosoka miisa 477 ka horonantsary sy hira Malagasy ny 269, horonantsary vahiny tsy nahazoana halalana ny 100, horonantsary mamoafady ny 30 ary « matrices » gasy sy vahiny ny 78.
Rehefa nohadihadiana moa ity lehilahy ity dia niaiky ny asa ratsy nataony ka efa nanaovan’ny tao amin’ny sampandraharaha ny fitanana an-ssoratra. Nanamafy ny fitohizan’ny ady amin’ny fanaovana hosoka moa ny tao amin’ny BAP ary manantena hatrany ny fiaraha-miasa avy amin’ireo tsara sitrapo manome ny loharanom-baovao. Olon-tsotra iray nanontaniana ny heviny momban’ny resaka fanaovana hosoka toy ity no nilaza fa ny mpanjifa azy ireny koa no tena mila faizina satria mividy halatra ka miaraka samborina amin’ireo mpanao azy. Ireo mpamokatra horonantsary dia velon-taraina amin’ny fanaovan’ireo olon-dratsy hosoka ny vokatra vokarin’izy ireo.
Tsy tokony hitavozavoza ny manam-pahefana amin’ny resaka hosoka toy ity satria tena manimba ny trano mpamokatra horonan-tsary sy ny mpanakanto ny CD hosoka na dia efa nahena azan y saran’ireo CD ireo. Ny vahoaka koa ilaina mba hanjifa hatrany ny vokatra tena izy mba hanohanana ny mpamokatra ara-dalana fa tsy hamotika azy ireo.
Anja Raharimalala
