SocialTsidika

Mandeha ny fanaovana vaksiny Johnson&Johnson

Efa nigadona herinandro vitsy teto Madagasikara izay ny vaksiny Johnson&Johnson izany nomen’ny Governemanta Amerikanina. Ankoatran’ireo vaksiny hafa karazana izay nampanantenain’ireo firenena lehibe hafa.

Nilaza ny Filoha nandritry ny valan-dresaka nataony tamin’ny vahoaka Malagasy fa isy ireo lamina manokana ho atao amin’ity fanaovana vaksiny faobe amin’ny fatram-baksiny Johnson&Johnson ity. « Misy ampahany amin’ireo vaksiny no ho alefa any Nosy-be sy Sainte-Marie ary manerana ny nosy ihany koa » raha ny voalazany. Araka ny lamina vaovao vao napetraka nandritra ity herinandro ity dia hisy ny fandraisana anarana manokana ireo misionera sy mpianatra handeha handranto fiarana any ivelany izay mbola tsy naharay fatram-baksiny « covishield ». Nanao fanambarana ny tao amin’ny Ministera tao aorian’izay fametrahana rafitra sy lamina vaovao izay fa hisy ny « site de vaccination spéciale » natokana ho an’ireo sokajin’olona voatondro manokana ireo.

Raha ny fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Ministera hatrany dia »ilaina ny fisoratana anarana any amin’ny tranon-kala na manantona mivantana ny site de vaccination spéciale »eny amin’ny CHUJRB Befelatanana ». Rehefa vita ny fanaovana vaksiny dia mahazo avy hatrany ny taratasy fanamarinana ny nahavitana vaksiny ireo olona ireo. « Manomboka ny 20 aogositra kosa no ahazoana alaina ao amin’ny tranonkala ny carte de vaccination electronique satria mbola « provisoire »ihany ilay omen any andron’ny fahavitana vaksiny ».Misy anefa ireo antontan-taratasy fanamarinana izay takiana amin’ireo sokajin’olona voatondro ireo mba ho fanamarinana fa tena hivoaka an’i Magadasikara tokoa izy ireo mba hisorohana ny fanararaotana izay ataon’ny olona sasany.

« Tsara rehefa misy ny lamina sy ny marimaritra iraisana tahak’izao » hoy i Emile, mpianatra handeha andrato fianarana any ny ivelany izay hanainga ny faran’ny volana aogositra izao.

« Tsy tokony hasiana fanavakavahana tahak’izao fa rehefa hoe atomboka ny fanaovam-baksiny dia atao ho an’ny daholo be fa tsy hoe ireo izay hivoaka ny Madagasikara no atao laharam-pahamehana.Afaka manao vaksiny izy ireo rehefa tonga any ivelany any fa tsy voatery ny hamita izany eto »rah any hevitr’i Solo, isan’ireo be antitra mba te hisitraka ity vaksiny Johnson&Johnson ity.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire