Conseil

Inona no ilàna ny Vitamine C ?

Mila hohanina isan’andro ny vitamine C izay mora levon’ny rano ka ny tsinay kely na ny « intestine gêle » no mitroka azy ary fohanan’ny amany avy eo. Miantoka zavatra betsaka ao anatin’ny rantsam-batana ny vitamin C noho izy manasitrana ny ratra sy ny fiforonan’ny hery fiarovana sy ny fiforonan’ny hoditra, ny taolana.

Ny voankazo sy ny legioma no misy ny vitamine C toy ny poivron mena, ny voasary, ny moasarimakirana, ny frezy, ny voatabia, brocolis, ny papay manga. Tokony hihinana voankazo sy legioma isika izany isan’andro mba hisorohana amin’ny mety tsy ho fahampian’ny Vitamine C. Ny rano sy ny rivotra ary ny hafanana araka izany no mamono ny vitamine C ka tsy tokony hampiasa betsaka ireo amin’ny sakafo hohanina raha hitady vitamin C.

Miteraka aretina ny tsy fahampiana vitamine C toy ny tsy fitomboan-danja, fahalemena, fihenan’ny hery fiarovana hany ka mora idiran’ny aretina ny vatana. Mazotoa àry mihinana vitamine C mba ho antoky ny fahasalamana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire